Tontolo iainana
Antananarivo rakotra setroka !

Raha ny marina dia mbola ao anatin’ny haintany isika izao fa tsy hoe efa fahavaratra . Ny mahagaga annefa dia maizina sahady ny lanitra na ny habakabak’Antananarivo. Toa tsy aizina ateraky ny rahona mainty, na vokatry ny hatsiaka, na te hanorana akory fa toy ny zavona sy setroka. Tranga niseho ny andron’ny talata io, na dia nipoaka aza ny masoandro ny atoandro. Asa mba nahatsikaritra izany ve ny mponina teto Antananarivo ? Fa misy inona ? Efa mandeha sahady ve ny dorotanety any amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo ? Tranga fahita rehefa ao anatin’ny vanimpotoanan’ny dorotanety ny tahak’izao, izany hoe Antananarivo maizina sy rakotra setroka io. Ny zavatra tsikaritra aloha dia maro ireo olona manao biriky amin’izao ka moa ve misy ifandraisany amin’izany ity aizina sy setroka ity ? Raha tena mitomboa fa setroka no mampahamaizina an’Antananarivo dia midika izany fa maloto ny rivotra eto. Raha tsiahivina dia malaza ho an’isan’ireo tanàn-dehibe maloto rivotra indrindra maneran-tany Antananarivo.

Description de l'image
Matetika rakotry ny setroka Antananarivo rehefa miditra maintany toy izao.

Ral

26 Juillet 2024

Commentaires